<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Hoy Jesosy Tompo 'zaho no fananganana
 Fananganana ny maty sy fiainana
 'Zay rehetra mino Ahy na dia maty aza
 Dia ho velon'indray, ho velon'indray, ho velon'indray
 Satria velona Aho, Ho velona hianareo
 Aza matahotra fa (ho velon'indray)3

[V2]
 Maharavo fo ny teniny henoy indray koa
 'Zay rehetra velona ka mino Ahy tokoa
 Dia tsy ho faty mandrakizay hatsangako
 Ka ho velon'indray, ho velon'indray, ho velon'indray
 Satria velona Aho, ho velona hianareo
 Aza matahotra fa (ho velon'indray)3

[V3]
 0 ! Jesosy Tompoko indro re ampitomboy
 Ny finoako Anao, ny herinao asehoy
 Tompo iantrao ny foko tsy finoako vonoy
 Mba ho velon'indray, ho velon'indray, ho velon'indray
 Mino Anao tokoa ny foko Jesosiko
 Feno toky aho, fa (ho velon'indray)3</lyrics>
<title>Izaho no fananganana ny maty FF5</title>
<hymn_number>5</hymn_number>
</song>